Nirotsaka nanadio teny Anosizato Atsinanana nihazo an’Anosy omaly folakandro ny kaominina Antananarivo Renivohitra, notronin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Boriborintany I sy IV.
Ny hisoroka ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra no tanjona ka anisan’ny nanaovana asa fanadiovana manokana ireo lakandrano sy tatatra maro samihafa izay tsentsin’ny fako sy ny loto avokoa ny ankamaroany. Narahina fanentanana ny mponina sy ireo mpivarotra amoron-dalana izany mba samy hanadio ny faritra misy azy sy ny toeram-ponenany. Tsiahivina moa fa efa nialohavan’ny fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana izany ny maraina. Nampahafantarina ny toerana tokony hivarotany izy ireo izay tsy tokony hihoatra ny arabe hisorohana ny fitohanana lavareny. Voakasik’izany manokana ny teny Anosibe. Tsiahivina fa efa nosantarin’ny boriborintany I sy IV ity hetsika ity ny fiandohan’ny herinandro teo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.