Taorian’ny fanotronana ny hetsika mahazatra azy teny amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo dia niara-nirohotra nanatona ny mponina isam-baravarana “porte à porte” ny mpikambana ao amin’ny Foko-TIM eny Alarobia Amboniloha notarihan-dRamamonjisoa Alain filohany, omaly alahady 11 novambra.
Ny fanentanana ny olona hanoratra ny anarany amin’ny lisi-pifidianana ataon’ny CENIT dieny izao araka ny baiko nomen’ny Filoha Marc Ravalomanana nivantana teny an-kianja, hoy Atoa Alain, no anton’ny hetsika nataony mba tsy ho lasa very zo sanatrian’izany rehefa tonga ny fotoam-pifidianana. Tsapanay mantsy, hoy izy, fa maro ireo tsy nieritreritra velively amin’izany hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana izany fa somary natahotahotra noho ny zava-misy iainana ankehitriny na koa hoe hiandry mihitsy ny fahatongavan’i Dada vao hiroso amin’izany. Ho tara anefa izy avy eo ka tsy ho tafiditra anaty lisitra intsony raha izay no miseho ka dia izao nentanina ifotony izao. Tao anatin’ity fifaneraserana nivantana tamin’ny mponina teny amin’ny faritra 5 misy ao amin’ity Fokontanin’Alarobia Amboniloha ity no nahatototra fanontaniana anay, hoy Atoa Ramamonjisoa Alain, ny amin’ny hoe : “ Ho avy marina ve i Dada dia rahoviana ?”.
Ny valin-teny nomenay tamin’izany dia tsotra, hoy ity mpitari-tolona eny Alarobia ity, dia famerenana ny nolazain’i Dada teny an-kianja tamin’ny sabotsy manao hoe : “Tsy hisy fifidianana izany eto raha tsy tonga i Dada ary tena ho avy aho”. Marihina moa fa anisan’ireo mpikambana vaovaon’ny Foko-TIM tafapetraka tsy ela akory izay, manerana ny Boriborintany faha-5 eto Andrenivohitra, ity nanao hetsika teny Alarobia Amboniloha ity. Ho fanomanana ny fahatongan’ny Filoha Marc Ravalomanana kosa dia nanambara ry zareo fa atsy ho atsy dia hanao hetsika fanentanana ny mponina iombonana amin’ny Zanak’i Dada rehetra sy ny mpanohana ny Filoha Marc Ravalomanana mpandala ny ara-dalàna eny Alarobia eny ary hiarahana amin’ny Fokontany manodidina ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.