Actualités

Fisondrotan’ny vidin-jiro Miantraika amin’ny fihariana rehetra


  • Sabotsy 03 Martsa 2018

Tsy misy izay tsy mikaikaika na orinasa na olon-tsotra ny amin’ny fiakaran’ny faktioran’ny Jirama. Saika voakasika daholo ny sarambabem-bahoaka na ny mpandraharaha na ny mpiasa tena ka mahatonga fimenomenona.

 

 Manoloana ity fidangan’ny faktiora Jirama ity dia nanatona olona miasa tena sy olon-tsotra maromaro  ny Gazety Tia Tanindrazana nanontany ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny asa atao.

Ramatoa Rakotonirina Tiavina :

Toerana fanaovam-bolo 3 no tantaniko ary tsy nisy olana fa tratra ihany ny karaman’ny ankizy, ny hofan-trano ary ny JIRAMA hatramin’izay. Mahavelona anay efa-mianaka ny vola miditra amiko na tsy hanampy aza ny vadiko. Olana be ity fidangan’ny faktioran’ny JIRAMA ity satria lasa nitombo avo roa heny mihitsy. Raha 300 000Ar izany dia lasa 570 000 Ariary teo. Tena tsy vitako, niresaka izahay mivady ny amin’ny hanajanonana ny toerana iray izay tsy dia mandeha. Mampalahelo fa tsy maintsy hanajanona ankizy aloha izany. Tombony ho anay fotsiny ny fananana mpanjifa raikitra.

Atoa Ratefinanahary Simon :

Mpitantana sady tompona cyber aho. Tena ankona tanteraka izahay nahita ny faktioran’ny Jirama. Mbola niala nenina nankany mihitsy nangataka fanazavana izahay saingy vali-boraingina no azo tany. “Tsy ny anareo ihany no niakatra fa ny an’ny rehetra”, hoy ny tompon’andraikitra nandray anay. Tsy tafavoaka izahay raha mbola ohatran’io ny faktiora satria 200 000 Ar lasa 400 000 Ar latsaka kely. Tokony hiresaka ny tompona cyber rehetra hanondrotra ny saran’ny connexion mba hanenjehana ny lavaka aterak’izany.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT