Hiverina hiakatra fitsarana rahampitso Alarobia indray ilay raharaha fisolokiana vato nataona tera-tany Srilankey miisa telo sy vehivavy malagasy iray rehefa nohenoin’ny fitsarana ny Sabotsy lasa teo ireto
farany. Mbola misy olon-kafa hafa tadiavina mantsy mialohan’ny handraisan’ny fitsarana fanapahan-kevitra. Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana izy sivy lahy tompon’ny vato araka izany. Na izany aza anefa mbola miantso ny filoham-pirenena sy ny praiministra izy ireo mba hanara-maso ny tohin’ny raharaha indrindra fa ny tribonaly rahampitso. Manam-panahiana ihany mantsy izy ireo raha araka ny teny navoakan’ireo mpifanandrina aminy izay sahy nilaza mihitsy hoy izy ireo fa mahavidy vola ny fanjakana malagasy. Ankoatra ny fanjakana dia miantso ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly ihany koa izy ireo mba hanaraka akaiky ny raharaha. Anisan’ny tena takian’izy ireo amin’izao fitoriana izao moa ny hamerenana ilay vatony milanja 30,6 grama izay marihina fa tsy hita popoka hatramin’izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.