Actualités

Fisolokiana tao Toamasina Orinasam-panjakana maro no efa lasibatr'ilay teratany karana


  • Zoma 21 Jolay 2017

Maro tamin'ireo orinasa lehibe tao Toamasina no efa nikatona sy nizaka ny tsy eran'ny aina vokatry ny tsy famerenam-bola tamin'ny fisamborana nataona mpandraharaha,

  taona vitsy lasa izay. Misy amin'izy ireo no mbola miady eny anivon'ny fitsarana ahafahany mitady lalana handoavana izay trosa izay hatramin'izao, anisany ny "banque, assurance, société d'état” sasantsasany. Aty aoriana anefa dia tena mbola miriaria sy mieboebo any ireo tsy nahaloa trosa ary mihevi-tena ho manana mpiaro vokatry ny tsy nisasarany. Anisan'izany ilay teratany vahiny MHM mbola manohy ny fanaony satria tsara mpiantoka manana ny vonona sy be lamosina sarotra henjehina. Ankoatra ireo vahiny mitovy fiaviana aminy dia hanamparany ny fahafantarany olona ambony koa ireo Malagasy manana tany any amin'iny Faritra atsinanan’ny nosy iny. Raharaha maro no mahakasika azy ity eny anivon'ny tribonalin'i Toamasina, saingy tafatsoaka any ivelany Ranamana, ka mihantona fotsiny eo ny raharaha fitoriana azy. Mampametra-panontaniana ireo tratran'ny trindry hazo lena hatreto izao zava-misy izao satria olona efa namoahan'ny fitsarana didy tsy fahafahana mivoaka an'i Madagasikara no tafaporitsaka, ka hanairan'izy ireo ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany hijery ny famahana ny olana satria raha Malagasy no nahavita toy izany dia tsy niandry ela, fa efa nizaka ny vokany. Sa rehefa vahiny lava tanana sy mahitahita dia ambonin'ny lalàna sy mahazo manao izay tiany atao ?

 

Rabri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT