Tompona orinasa mpisehatra eo amin’ny resaka fivarotan-tany na irony “agence immobilier” irony no tafatsoaka any am-pitandranomasina rehefa nisoloky olona miisa 3600.
Naneho ny fitarainany tamin’ny haino aman-jery tetsy amin’ny toerana iray etsy Andravoahangy omaly ny solontenan’ireo lasibatra. Efa nisy ny fitoriana maro nalefanay any amin’ny fitsarana, hoy ny fanazavan’izy ireo. Nisy tamin’izy ireny anefa no nanjavona kanefa fitoriana tambabe. Manahy ny amin’ny fisiana fanohanana olom-panjakana nanamora ny fivoahan’ity voalaza ho mpisoloky ity moa ireto lasibatra ireto satria vao tafavoaka kely tany andafy ity lehilahy ity vao namoaka fampilazana fikarohana na “Avis de recherche” ny birao mahaleotena misahana ny kolikoly na ny Bianco, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Hetsi-panoherana ny tsy rariny hitan’izy ireo fa hany vahaolana kosa ny fanatonana ireo olona efa malaza ho mpamaha izay olana amin’ny resaka ady tany izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.