Actualités

Fisolokiana tany An’aliny ireo lasibatry ny Tany gasy


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Nanamarika tetsy amin’ny Falda Antanimena, omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo lasibatry ny fisolokiana nataon’ny orinasa mpivaro-tany,

 

Tany Gasy, tarihin’ny filohany, ny Dr Alison Sylvain Geovanie fa tsy nifanarahana tao anatin’ny fikambanana ny hampidirana ny raharaha amin’ny resaka politika. Nizara 2 noho izany ny fikambanana fa ity anay ity no ara-panjakana, hoy ny filoha. Mikasika ny raharaha tany gasy kosa dia efa mpiasa tsotra miisa 3 tao amin’ity orinasam-pisolokiana ity izao no notanana am-ponja vonjimaika (MD) ary efa tsy nalefanay tany amin’ny polisy intsony ny fitoriana fa efa any amin’ny borigadin’ny fikarohana satria maro  ireo fitoriana nalefa tsy hita teo aloha. Efa an’aliny ireo lasibatra amin’ity raharaha ity satria raha ny tao Ambatolampikely fotsiny dia efa 3600 ireo ampahantany nosolokian’ity orinasa ity. Mbola hafa koa ny any Anjeva, Alasora, Ivoloina, Imerinkasinina, Antsirabe, manerana ny nosy mihitsy. Ireo tany namidy amin’io saika in-2, in-3, in-4, mihoatra aza no namarotana azy tao anatin’ny fotoana 1 ho an’ny ampahan-tany tokana monja. Izahay ny taona 2014 no narirarira kanefa amin’izao fotoana dia misy vazaha antsoina hoe Billy any izay efa tamin’ny faran’ny taona 2016 no manana taratasim-pamarotana (acte de vente) ny tany novidianay. Ny filoha tale jeneralin’ny orinasa, Gerald Ramangasoavina, moa tafatsoaka any an-dafy fa ireo mpitantana hafa kosa no mbola mandeha ny fikarohana azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT