Betsaka ireo olona lasibatr’ireo mpisandoka sy mpisoloky mitonona ho mpiasan’ny hetra tato ho ato teto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Miteraka fahavoazana goavana ho an’ireo mpandoa hetra izany, antony nandraisan’ny ny foibem-pitondran’ny hetra, rantsana iray eo anivon’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola fepetra hentitra. Mampahafantatra antsika rehetra izy ireo fa ireo mpiasan’ny hetra rehetra izay manatanteraka asa any ivelan’ny biraon’ny ivonketra dia tsy maintsy mitondra sy mampiseho ny baiko manefa iraka ( ordre de mission) miampy ny karatra famantarana ( badge) amin’ny maha mpiasan’ny hetra azy marina eny amin’ireo toerana izay hanatanterahany ny asany. Ankoatra izay, eny amin’ny biraon’ny ivon-ketra mahefa ihany no fandoavan-ketra na eny amin’ny birao izay hifanarahana amin’ny kaominina hiasana fa tsy eny ivelany. Raha sanatria ka misy tranga mampisalasala moa dia miantso ny rehetra mba hanatona avy hatrany ny biraon’ny ivon-ketra mahefa izy ireo na koa ireo tompon’andraikitra eny ifotony.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.