Actualités

Fisolokiana sy fibodoana trano sy tany Zanaka jeneraly no atidoha


  • Alakamisy 13 Jolay 2017

Misy vondron’olona manao asa fisolokiana goavana efa ho herintaona mahery izay ao amin'ny fitsarana Anosy, raha ny vaovao mivoaka.

 Tovovavy iray miaraka amina mpampanoa lalàna sy ny mpitsara no tena atidohany. Zanaka jeneraly efa misotro ronono izy io ary ny vadiny kosa dia vadintany ao amin'ny fitsarana Anosy. Miray tsikombakomba amin’ny mpiasan’ny fananantany sy mpitsara izy ireo. Mibodo trano sy tanin’olona no tena ataony ary efa maro ny lasibatra. Mamantatra ny trano na tany tiany hanaovana ny asa ratsiny izy. Ambarany fa izy no nanamaintimolaly ny tany any amin’ny tribonaly na “demande de prescription acquisitive”, izany hoe, mitaky ny fahazoana ny antontan-taratasy fananana ny tany amin’ny alalan’ny filazana fa efa nipetraka 20 taona tamin’ny toerana izy ireo, ka dia giazan’ny tribonaly aloha ny tany mba hahafahana manatanteraka ireo dingana rehetra ilaina amin’ny maha ara-dalàna ny tompony. Milaza kosa ny eo anivon’ny fananan-tany fa hikaroka sy hiandraikitra ny fanatanterahana ny dingana rehetra, manoloana ny resaka tsy mazava momba ny tany, ka rehefa nanaiky ny fitsarana dia haingana be ny famadihana ny tany ho amin’ny anaran’ireo efa tambajotra, ka miala amin’ny tompony, izay tsy mahalala na inona na inona akory. Efa misy olona mibodo sy mipetraka amin’ny trano na misy manao fanorenana tany vao sanganehana. Hanao fanoherana, efa tara satria efa voasoratra amin’ny anaran’ny olon-kafa ny fananana ary vondron’olona efa sokajiana ho mafia no hiadiana. Ilaina ny mailo hatrany fa tsy kely làlana ny ratsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT