Actualités

Fisaraham-panambadiana 7 isan’andro ireo fangatahana voarain’ny fitsarana


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Fito isan’andro ireo olona mangataka taratasy hahafahana miroso amin’ny fisaraham-panambadiana tonga manatona ny lapan’ny fitsarana etsy Anosy nanomboka ny taona 2013 no mankaty.

Ireo tanora vao nifampakatra tao anatin’ny 12 volana na 24 volana no tena maro an’isa amin’izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Amin’ny ankapobeny dia saika vokatry ny herisetra sy ny fanitsakitsahana no mahatonga ny ankamaroan’izy ireny hiroso amin’izay fisarahana izay. Ho an’ny vehivavy, ohatra, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny fikambanana Poten’Ciel Organizing, miady amin’ny herisetra eto amintsika dia mahatratra 43 % izy ireo no miaina ny herisetra ara-batana.  Ny 53 %-n’ny vehivavy ihany koa anefa no nanaiky fa manao herisetra ara-moraly amin’ny vadiny ( miteniteny foana, manao teny tsy voahevitra) antony mahatonga ny lehilahy hikasi-tanana, tarehimarika tamin’ny taona 2007. Ny 62,5 %-n’ny lehilahy eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona anefa no tena manao izany herisetra ao an-tokantrano izany ka ny 61 %-n’izy ireo dia manambady alohan’ny faha-25 taonany avokoa. Antony manosika ny fikambanana Poten’Ciel Organizing hanofana ireo mpivady na mpifamono eny anivon’ny Fokontany izany rehetra izany. Amin’izy ireo mantsy dia tsy tokony ho ny vehivavy ihany na ny lehilahy ihany no omena fiofanana fa izy roa tonta mihitsy hahafahana mampihena ny tahan’ny fangatahana fisaraham-panambadiana eo anivon’ny Fitsarana etsy Anosy. Ao amin’ny Boriborintany faharoa no manome fiofanana ny fikambanana amin’izao isaky ny talata amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Nomarihin’ny fikambanana moa fa ny 1/3-n’ny vehivavy manerana ny Nosy ihany koa  no manambady eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny faha-19 taonany.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT