Actualités

Fisaraham-panambadiana 10 isan’andro no voaray eny amin’ny fitsarana


  • Alakamisy 19 Janoary 2017

7 hatramin’ny 10 isan’andro ny fisaraham-panambadiana voarain’ny avy eo anivon’ny fitsarana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Pot’enCiel oganisation na ny rafitra iray izay misahana ny fampiofanana eo amin’ny resaka fandrindrana tokantrano.

7 hatramin’ny 10 isan’andro ny fisaraham-panambadiana voarain’ny avy eo anivon’ny fitsarana raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray avy eo anivon’ny Pot’enCiel oganisation na ny rafitra iray izay misahana ny fampiofanana eo amin’ny resaka fandrindrana tokantrano. Manoloana izany dia nampahafantarina tetsy amin’ny biraon’ny boriborintany faha-5 etsy Ambatomainty omaly ny fivoahan’ny boky torolalana faharoa izay novokarin’izy ireo mba hampirindra izay fiainan’ny mpanambady izay. Io omaly io ihany koa dia nomena fiofanana ireo mpivady eny anivon’ity boriborintany ity ary nozaraina maimaimpoana ilay boky. Hatramin’ny taona 2015 no ho nankaty moa dia miisa 9 700 ireo mpivady nofanina tamin’ny tetikasan’ity rafitra ity ary miisa 8 000 ireo boky torolalana efa voazara. Boky 4 000 hafa ihany koa no mbola kasaina haparitaka ary ny 2 000 amin’ireo dia mikasika ny lalàna mifehy ny fianakaviana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT