Actualités

Fisaorana – Alarobia Bemaha 14 mianaka nodorana velona


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2012

Loza amin’atambo ! Mifandoro velona ny samy Malagasy. 14 mianaka, ka mbola ankizy ny 6 amin’ireo, no nodoran’ny dahalo velona tao an-tranony rehefa avy norobaina ny entany sy natao tampim-baravarana.

 Tao amin’ny tanàna atao hoe Fisaorana, Kaominina Alarobia Bemaha, Faritra Vakinankaratra no nitrangan’ity habibiana mahatsiravina ity omaly alahady 14 oktobra tamin’ny roa ora maraina. Toerana mifanila amin’ny Kaominina Ambatomifanongoa, Distrikan’Ambatofinandrahana Faritra Amoron’i Mania ity nisehoana vono olona tamin’ny fomba feno habibiana ity. Dahalo efapolo lahy no indray nanafika. Trano iray, amina tanàna somary mitokantokana no lasibatr’izy ireo ka lasa tamin’izany ny omby 28 rehefa avy nandoro ny trano, ka nahamay kila azy 14 mianaka ireo. Tsy nisy afa-nivoaka ny olona manodidina satria dia nipoapoaka koa ny basy. Rehefa izay dia noroahin’ireo dahalo nihazo ny Kaominina Ambatomifanongoa ny omby.

Nitombo isa ireo dahalo rehefa tonga tany, ka nananika ny fitopolo lahy indray. Nalain’izy ireo ankeriny koa ny omby tamin’ny Fokontany telo tao Alarobia Bemaha dia ny tao Marovato, Atara ary Ambalamarina, ka nisy 40 no lasa. Tsy vitan’izay fa mbola nitabataba sy mihantsy ny mbola hamono zandary sy ny Ben’ny tanàna Ambatomifanongoa ireto andian’olon-dratsy ireto. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia manao fanamiana zandary sy mitondra basy mahery vaika ny 8 dahalo amin’ireto dahalo ireto.

Omaly alahady dia mitoby ao Ambohiboholava sy ao Iboko Alarobia Bemaha izy ireo, ary mandrahona ny hanafika andro antoandro ao Ambatomifanongoa. Manoloana izany dia nandefa Zandary 5 avy hatrany ny tao Ambatofinandrahana ary miatrana ambava-basy amin’izao fotoana. Nisy ihany koa ny “renfort” avy amin’ny Groupement Amoron’i Mania. Momba ireo razana dia efa nalevina omaly alahady antoandro ihany izy ireo satria potika.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT