Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina ny resaka fisaonam-pirenena nialoha sy taorian’ny nanokanana omaly alakamisy 27 jolay ho andro maloka ho an’ny firenena Malagasy
noho ny nahalasan’i Régis Gizavo, ilay kintan’ny fitendrena angorodao fanta-daza hatrany ivelan’i Madagasikara. Samy manaiky ny rehetra fa nitondra avo ny voninahi-pirenena izy ary sokajiana ho vakoka maneran-tany mihitsy ny zavatra nataony, ka very olo-manga i Madagasikara sy izao tontolo izao noho ny fahalasanany. Lojika, araka izany, ny fanomezam-boninahitra azy tamin’ny alalan’ny andro fisaonam-pirenena. Mitodika any amin’ny fitondram-panjakana ny fanontaniana hoe inona no mason-tsivana hanaovana fisaonam-pirenena ho an’ny olona iray ? Maninona no tsy nisy ny fisaonam-pirenena tamin’ny fahafatesan’olona 47 tany Anjozorobe ? Sa ireny no atao hoe fatina Malagasy mahantra ka tsy mendrika ny hanaovana izany ? Maromaro ihany ireo mpanakanto fanta-daza teto an-tanindrazana hatrany ivelany toa an’i Om-Gui, Jean Emilien, Rasoakininike, Raul sy Nônô tao amin’ny tarika Mahaleo no efa lasa fa tsy nisy ny fisaonam-pirenena. Mamoha fota-mandry fa misy zavatra tokony hohazavaina sy hampahalalana ny olom-pirenena ny antony mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny sy adihevitra tsy manam-pahataperana sy mety hiteraka ady mihitsy aza. Mila faritana sy ampahafantarina manomboka izao ny mason-tsivana mikasika ny fanomezana mari-boninahitra sy ny fisaonam-pirenena manoloana ny fahalasanana mpanakanto na olo-malaza na mpanao politika iray. Mbola olana ihany koa ny tsy firaharahaina olona ireny sy ny zava-bitany eo am-pahavelomana, fa rehefa maty vao ramalala, ka tsy atao mahagaga, raha misy ny efa milaza sy manafatra dieny mbola velona fa tsy mila salorana izany mari-boninahitra izany. Maro ny zavatra tokony hovaina !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.