Actualités

Fisamborana an-dRemenabila Homena an-dry Lylson ny “jackpot” ?


  • Talata 11 Septambra 2012

Efa tonga tany Betroka hatry ny omaly tolakandro ireo delegasiona miaramila sy ny fitaovam-piadiana mahery vaika nalefan'ny fanjakana hiady amin'ny dahalo any amin'iny faritra atsimon'ny Nosy iny.

 Hanatevin-daharana ny miaramila sy zandary any an-toerana ihany koa moa ireo andia-miaramila voaofana sy voafantina manokana, na ny "forces spéciales”. Fantatra fa anisan'ireo hitari-tafika any atsimo ny kolonely Lylison, izay efa mahafantatra tsara ny asan-dahalo any an-toerana satria efa avy komandin'ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena tao Ihosy ny tenany, ary nahafantarana azy sy ny miaramilany ny famongoran'izy ireo ny tambajotrana dahalo tao Ikelihorombe. Omaly ihany koa dia nanamafy ny minisitry ny serasera sady mpitondra tenin'ny governemanta, Rahajason Harry Laurent fa ho avy any Betroka anio talata 11 septambra ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina hiresaka sy hankahery ny vahoaka, ary hametraka amin'ny fomba ofisialy ny andian-tafika any an-toerana. Ela ny ela izany, ka tapa-kevitra ny hitsidika ireo vahoaka Malagasy mandry andriran'antsy noho ny asan-dahalo ihany, ny filohan'ny tetezamita ary hiezaka ny hampitony ny olona. Asa moa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa mifanandrify indrindra amin'ny datin'ny 11 septambra nitrangan'ny asa fampiorohoroana mahatsiravina tany Etazonia ka nahafatesana olona 3000 mahery, ity fahatongavan'ny filohan'ny tetezamita any Betroka ity sy ny hanambarany amin'ny fomba ofisialy ny ady mahery vaika amin'ny asan-dahalo eto Madagasikara.

Araka ny fantatra moa dia nanolotra vola iray tapitrisa Ariary tsirairay avy, ho an'ny fianakavian'ireo mpitandro ny filaminana matin'ny dahalo tany Betroka, ny fitondrana tetezamita ho fanampiana azy ireo. Tsy nahazoam-baovao kosa ireo amin’ireo miaramila telo lavo tany Belo Tsiribihina. Tsara homarihana fa ana miliara ny vola lany tamin'ny fandefasana ireo miaramila tany Esira mba hisambotra an-dRemenabila tamin'ny volana jona 2012 ary azo antoka hihoatra lavitra noho izany koa ny amin'ity indray mitoraka ity, telo miliara Ariary raha ny resaka mandeha. Manantena ny rehetra fa hisy vokany mivaingana ny ady atao fa tsy sanatria dia hiveri-maina indray ny mpitandro filaminana dia ambara fa hoe nanao "repli stratégique" avy eo.

Hatreo koa aloha dia tsy misy fanamafisana filazana na mbola manankery ihany na efa nofoanana ilay valisoa 20 tapitrisa Ariary ho an'izay manam-baovao marim-pototra ny amin'ny toerana misy an-dRemenabila sy ilay 100 tapitrisa Ariary ho an'izay mahasambotra azy, velona na maty. Fa raha mbola manankery dia ireto andian-tafika tarihin’ny kolonely Lylson nalefa hiady amin’ny dahalo ireto izany no hahazo io “jackpot” io raha voasambotr’izy ireo Remenabila. Omaly tamin’ny fahatongavan’ireo andia-miaramila ireto ihany dia efa nitrangana fanafihan-dahalo tany amin’ny 6km miala ny tampon-tanànan’i Betroka. Karazana batemy ho an’ireto "forces spéciales" ireto izany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT