Tsy mbola nisy aloha hatramin’izao ny fanapahan-kevitra noraisin’ny FAT momba ny FIS (Force d’Intervention Spéciale) na dia teo aza ny fanakianana azy mivantana sy ny fangatahana ny hanafoanana azy, nataon’ny ambasadaoro frantsay, Jean Marc Châtaigner nandritra ny kabariny ny alarobia 14 jolay teo.
Ny androtr’io ihany moa dia efa namaly ny praiministra Camille Vital fa misy antony matoa natsangana ny FIS. Raha adika tsotsotra dia tsy misy tokony hanafoanana ny FIS satria misy asa ampanaovina azy. Ho an’ny lietna Kolonely Lylison René lehiben’ny FIS kosa dia karazana fiarovana ireo olona manana ny zom-pirenena Frantsay, nohadihadian’ny Force d’Intervention Spéciale no mety antony nanaovan’ny ambasadaoro frantsay iny fanambarana iny. Tsy mahita ny antony tokony hanafoanana ity FIS ity koa anefa ity manamboninahitra akaikin’ny filohan’ny FAT ity. Na izany aza anefa dia maro no vavolombelona nahita maso fa maro loatra ny herisetra sy tsy fanarahana ny lalàna nataon’ny FIS tamin’ny fanenjehana sy fisamboran’olona, izay matetika arahina fihetsika mahery sy daroka. Manginy fotsiny ny fanalam-baraka sy ny teny mahery atao amin’ireo olona samborina, toy ny nitranga tao amin’ny Carlton ny harivan’ny 29 aprily 2009, nisamborana an-dry Manandafy, Ihanta Randriamandrato, ny kolonely isany Théophile sy Harris Jacques na Zakabe.
Manana ny zony tahaka ny olon-drehetra anefa izy ireny, na dia ireo voarohirohy nanao heloka sy ireo efa migadra aza. Araka ny resaka re tetsy sy teroa moa no nahafantarana fa toa misy mpikambana ao amin’ity FIS ity no voasazy lava, noho ny antony samihafa, tany amin’ny «corps d’origine» nisy azy teo aloha, ka mety ho izay ve no antony tsy mampahery fihetsika azy ireo rehefa miasa sa ahoana ? Fikambanana eto an-toerana sy avy any ivelany maro moa no efa namaky bantsilana ny fomba fiasan’ny FIS, hatramin’izay nijoroany, saingy izao vao nisy solontenana firenena vahiny nanambara ampahibemaso ny tokony handravana azy. Ka asa hoe hanao ahoana ny ho tohin’ity raharaha ity, indrindra moa fa efa nisy ny fifandirana anatiny teo amin’ity FIS ity ka tsy nampiara-dia intsony ny ireo mpiara-mitarika roa, izay samy nanohana tamin’ny heriny rehetra an’i Andry Rajoelina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.