Actualités

Firosoana amin’ny mangarahara Tsy rototra ny fitondrana


  • Zoma 10 Febroary 2017

Na dia mitsikera aza ny sehatra iraisam-pirenena fa taraiky 20 taona amin’ny lafiny fampandrosoana isika ary anisan’ny antony lehibe mahatonga izany ny firongatry ny

 fahalovana sy ny tsy fangaharaharana eto amin’ny firenena dia tsy maharototra ny fitondrana hatreto, raha ny vokatra no jerena. Ankoatra ny fihemorana ho faha-145 amin’ny firenena 172 ny laharantsika amin’ny ady atao amin’ny kolikoly, izay navoakan’ny transparency international, raha toa ka faha 128 ny taona 2015, dia fotsy rora miteny hatreto ireo fiarahamonim-pirenena sy antoko politika izay mampirisika sy mitaky ny efa tokony hivoahan’ny datim-pifidianana rehetra ho avy na dia efa ambivitra aza ny taona 2018 taom-pifidianana. Herintaona taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena ny toerany, hoy ireo Experts nationaux amin’ny resaka demokrasia ny alarobia teo, izany hoe ny taona 2015, no efa tokony hitsangana ny fitsarana ambony na ny « haute cours de justice » kanefa dia mbola tsy hita veroka izany 3 taona aty aoriana. Ny ahiahy famotsiam-bola tamin’ny taona 2016 aza moa vao nampahafantarina ny alarobia teo koa fa nitombo avo roa heny, izany hoe nahatratra 90,557 tapitrisa ariary raha 40,485 tapitrisa ny taona 2015. Mbola lavitry ny afo ny kitay ary mbola nofy ny hahita fifidianana eto amintsika ho toy ny any amin’ireo firenena demokratika izay hampandalovina amina petra-bolana banky tokana sy arahin’ireo Expert nationaux avokoa ny vola miasa rehetra amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ary ahiana aza ny hiverenantsika amin’ny vata tsy mangarahara raha toa ka efa niverenana ny bileta tokana.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT