Actualités

Firongatry ny tsy fandriampahalemana Tetika volena hisakanana ny fodian-dRavalomanana


  • Alakamisy 06 Septambra 2012

«Tsy dahalo ireo fa entina hanakorontanana ny firenena, amin’ny resaka adim-poko». Izay no andikan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), Rodin Rakotomanjato ny zava-misy any Atsimo amin’izao fotoana izao.

 Tsy tantin’ny vahoaka ihany koa ny zavatra ataon’ny FAT, hoy ihany izy satria ny olona asaina mifehy kibo, ry zareo kosa anefa voky sy migalabona. Nanentana ireo mpiara-dia aminy moa ity mpikambana eo anivon’ny CST hiomana fa efa tsy ho ela intsony, hoy izy dia ho tonga ilay nandrasana. Tetsy andanin’izay dia nampiaka-peo i Manoela Ralaimampisainarinony manoloana ny zava-misy any Atsimo ihany. Avy any rahateo moa ny lehilahy. Ho avy ve Ravalo dia asiana izao famonoana olona izao ? Tsy hiady amin’ny Merina anefa izahay, hoy izy. Nambarany fa ny tanànan’Androy dia tsy misy malaso izany hatramin’izay. Miala Rakotoarimasy, Ndrianazary, Bruno Razafindrakoto, ny misahana ny polisy fa tsy zakanareo, hoy ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy ity. Momba ny fodian’i Marc Ravalomanana dia nambaran’i Manoela fa efa eto Antananarivo izy ka tokony hosavaina daholo koa ny tokantrano rehetra. Araka ny vaovao dia misy fivorian’olona vitsivitsy any ho any, mikendry ny hifofo ny ain’ny filoha Marc Ravalomanana. Nampitandrina moa ny tenany fa samy Malagasy, hoy izy ka tokony tsy hifanao toy izao fa tsy ho zaka rehefa mipoaka ny sarom-bilany.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT