Actualités

Firenena tiorka Hanome vatsim-pianarana handraisana mpianatra 4 000


  • Talata 10 Martsa 2015

Handray mpianatra 4.000 ny firenena Tiorka amin’ity taom-pianarana ho avy ity ary hanome vatsim-pianarana 4 000 mifandraika amin’izany ny governemantany. Ny firenena an-dalam-pandrosoana sy ireo tra-pahasahiranana noho ny fisian’ny loza voajanahary tao aminy no kendren-dry zareo hahazo izany.

Nambaran’ireo mpianatra malagasy nahavita ny fianarany avy any Torkia, tamin’ny mpanao gazety ny alarobia teo, fa izay firenena mahatonga antontan-taratasy fangatahana betsaka indrindra no hahazo amin’izany vatsim-pianarana izany, koa dia manentana ny tanora malagasy izahay, hoy izy ireo, hanararaotra hisitraka izao fanampiana izao fa ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady. Araka ny fanampim-panazavana azo tamin’ireto maintimolalin’i Torkia ireto dia tsy misy mason-tsivana manokana hahazoana ity vatsim-pianarana ity.  Tanora nahavita ny kilasy famaranana no ho miakatra no ilaina satria misy ambaratonga telo, hatrany amin’ny fanomanana ny maripahaizana doctorat ny fianarana ho azo atao amin’ny lalam-piofanana maro. Noferana tsy hihoatra ny 21 taona ireo maniry hiditra amin’ny taona voalohany any amin’ny fampianarana ambony any Torkia. Tokony ho latsaky ny 30 taona ireo hanomana ny fakana ny diplaoma licence any ary tsy mihoatra ny 35 taona ny hanala ny maîtrise, hoy ny mpikarakara. Tsy sakana ny tsy fahaizana tenim-pirenena ho an’ny mpahazo vatsim-pianarana satria hampianarina fiteny tiorka maimaimpoana mandritra ny herintaona izay rehetra tonga any. Hiantohan’ny governemanta tiorka daholo ny tapakilam-piaramanidina mandroso sy miverina sy ny saram-pianarana, ny trano honenana sy ny sakafo isan’andro ary ny fitsaboana. Mbola handray vola 600 hatramin’ny 1.200 dolara isam-bolana koa ireo nahazo vatsim-pianarana, arakaraky ny fahamendrehany amin’ny fianarana ataony, hoy izy ireo. Horaisina ao amin’ny lot IVN 87 TER, 67 ha avaratra andrefana ny antontan-taratasy fangatahana mandra-pahatapitry ny volana martsa, satria tsy maintsy miditra mianatra amin’ity taona ity ireo hahazo io vatsim-pianarana io.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT