Raha nisy ny amboara manokana ho an’izay firenena be atrikasa sy fikaonandoha indrindra eto ambonin’ny tany dia voalohany na faharoa i Madagasikara tao anatin’izay 4 taona nisesy izay. Tato anatin’ny 2 taona farany aza efa nanomboka nitsikera matetika mihitsy ny mpikirakira vaovao hoe hitondra mankaiza marina ireo atrikasa ireo ?
Mba nisy koa taorian’izay ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena hoe tokony hiditra amin’ny resaka fampiharana amin’izay. Ny nahatsikaiky dia tany anaty atrikasa hatrany no nanehoan’izy ireo izany hevitra izany. Hatramin’izao tsy mipaka any am-bilanim-bahoaka ireny rehetra ireny fa mainka aza mampihena ny remby sahaza azy. Saika isan’andro ahenoana atrikasa sy fikaonandoha foana. Atrikasa momba ny varotra ifanakalozana tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo ny fiandohan’ny herinandro teo. Tetsy amin’ny Carlton Anosy koa atrikasa momba ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany hoe hanabevoa ny fampandrosoana ifotony. Ity resaka fampandrosoana ifotony ity moa kely angamba raha misy atrikasa 10 momba izany anaty volana 1 saingy andrasana toa miisatra dia miisatra ny vokany hatreto. Tamin’ny herinandro izany moa, atrikasa momba ny angovo atsy, momba ny jono aroa… ny vokany anefa dia mahagaga fa midangana ny vidin-jiro sy solika. Miakatra ny vidim-bary. Tapahana ny karamana mpiasam-panjakana ny sasany aza ny asa mihitsy. Potehina ny orinasa mamelona malagasy an’aliny fa aleo mandany 300 tapitrisa ariary hanamboarana zaridaina akana vidim-pidirana amin’ireo vahoaka kely maty noana verezin’asa sy fivelomana isan’andro.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.