Nampahafantarina omaly maraina nandritry ny fivorian’ny DMR (Direction de la Mobilisabilité des Réssources) ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) teny Mahamasina ny mahakasika ilay fitaovana raitra sy matihanina dia ny rindram-baiko « Logiciel IFPB-IFT- V.3.0»,
izay hampiasain’ny CUA tsy ho ela. Anton’ny tetikasaa ny hanafaingainana sy hanamorana ny fanangonana ireo mombamomba ny tany sy ny trano miorina eto an-drenivohitra. Tsy nandeha irery ny kaominina tamin’ny famolavolana azy io fa nanolo-tanana ny fandaharan’asa Allemand momba ny fampandrosoana tamin’ny alalan’ny GIZ. Natoron’izy ireo ny fomba fampiasana io rindram-baiko io sy ny vokatsoa hateraky ny fampiasana azy. Nolazain’izy ireo fa efa eo an-dalam-pahavitana izy io ary azo ampiasaina avy hatrany aorian’ny “validation” na ny faneken’ny mpiara-miasa eo anivon’ny CUA azy. Hisy ny fampianarana fohy hataon’ny GIZ ho an’ireo tena hampiasa azy mba tsy hampisy ny olana any aoriana, ary mba hampahomby ireo asa rehetra izay hatao. Haparitaka sy hampiasaina manerana ny boriborintany enina ilay «rindram-baiko», ka ny “serveur centrale” no hatao ety amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.