Actualités

Firaisamonim-pirenena - Faritra 22 “Hamorao fahazoan’ny Malagasy ny tany”


  • Alarobia 04 Novambra 2015

Nifamotoana teny amin’ny “Cénacle Ambohipo” nanatanteraka Fivoriambe, omaly, ny firaisamonim-pirenena avy amin’ny Faritra 22 eto Madagasika izay notarihan’ny SIF na ny Sehatra Iombonana amin’ny Fananan-tany.

 

Votoatin’ny fihaonana ny fanamafisana ny fitakiana ny hitazonana ny tsoan-kevitra narosony tamin’ny famolavolana ny politikam-pirenena momba ny fananan-tany, hanamorana ny fahazoan’ny vahoaka ny tany sy hiarovana azy amin’ny  rapa-dango ataon’ny mpanam-bola, indrindra ny mpanam-bola vahiny. Tsoan-kevitra efa lany sy efa nankatoavin’ny mpizaika tamin’ny fotoanandrony izy io saingy mba hoentina nanambatambazana ny sendikan’ny mpiasan’ny fananan-tany nitokona tamin’izany dia noravana an-tsokosoko taty aoriana. Notakin’ny sendika’ny fananan-tany moa  ny hanovana sy hanatsoahana ireo tsoan-kevitra ireo satria tsy natrehiny hono ny fandaniana azy. Tetsy an-kilany dia nanambara ho tsy nanatrika ny nanekena ny hanovana an’ireo tsoan-kevitra koa ny firahamonim-pirenena  ka mitaky ny hanafoanana ireo tsoan-kevitra vaovao avy amin’ny  sendika koa. Efa natolotry ny solontenan’ny fikambanan’ny tantsaha mpikambana ao amin’ny firahamonim-pirenena tamin’ny filohan’ny Repoblika malagasy io tolo-kevitra lany io tamin’ny  fihaonan’izy ireo taminy teny Iavoloha ka hampahatsiahiviny azy satria handefasana ny tsoan-kevitra lany omaly teny Ambohipo, nitakiana ny hamerenana ny efa nolaniana taloha.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT