Fikambanana iray niorina tamin’ny taona 2016 miady amin’ny fiparitahan’ny fako eto an-drenivohitra ny Green N Kool.
Raha ny fanazavan-dRasolomanantsoa Stéphanie, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana dia anisan’ny renivohitra fahatelo maloto indrindra Antananarivo ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana. Tsy vita mora foana anefa izany, hoy izy fa tsy maintsy miainga amin’ny fanovana toe-tsaina sy fanabeazana ny olom-pirenena, antony iray nanosika azy ireo hitety tanàna hampianatra ny olona hanodina fako. Modely maro no hatolony. Ho an’ireo kodiarana fiara efa tsy ilaina intsony, ohatra, dia azon’ny fikambanana atao ny mamadika azy ireny ho kapa tsara tarehy amin’ny modely tokana amin’ny vidiny 10.000 Ar. Toraka izany koa ny tavoahangy avadika ho voninkazo fanao anaty vazy, ny plastika avadika ho harona tsara tarehy, ny barika fitoerana menaka havadika ho seza fanao eny an-jaridaina … Maimaimpoana ny fanofanana fa misy ihany ny fandraisana anjara kely amin’ny fivezivezen’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.