Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Mirongatra ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny tazo


  • Alarobia 18 Novambra 2015

Manomboka mamely indray ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ny tazo mahery eto amintsika vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny hafanana diso tafahoatra.

 

 Voakasik’izany manokana, raha araka ny fanazavan’ny dokotera Bariniaina Fidy, ireo olona voasokajy ho marefo toy ny ankizy sy ireo efa be taona ka ilana fitandremana be dia be. Nasiany resaka manokana tamin’izany ny hafanana ateraky doro tanety izay manely setroka mainty eran’ny tanàna. Mahabetsaka ny moka ny toetr’andro tahaka izao, hoy izy ka tokony ho mailo ny rehetra, indrindra fa ireo manan-janaka madinika. Tsy tokony hohadinoina ihany koa ny fampiasana lay misy ody moka. Mikasika ny fisotroana ranom-boankazo eny amoron-dalana manokana dia notsindriany fa mila mahay mijery ny lafiny fahadiovana ny mpividy na dia mafana sy main’ny hetaheta aza. Toraka izany koa ny voankazo tsy voadio tsara izay mety hiteraka aretin-kibo.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT