Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Hamono Malagasy 300 000


  • Alakamisy 19 Janoary 2017

Voasokajy ho firenena faha-3 maneran-tany mora handairan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara noho ny famotehana ny tontolo iainana.

Voasokajy ho firenena faha-3 maneran-tany mora handairan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara noho ny famotehana ny tontolo iainana. Araka ny fikarohana izay efa nivoaka tao amin’ny gazety malaza iray any ivelany anisan’ny mpiresaka ny fiainam-pirenena, indrindra fa ny politika aty Afrika sy Madagasikara, dia miakatra 0,2% isan-taona ny tahan’ny etona manempotra na ny gazy karbonika noho ny famotehana ny tontolo iainana, izay misy fiantraikany amin’ny toetr’andro eto Madagasikara. Hiakatra 5 ka hatramin’ny 8 sm ihany koa ny haavon’ny ranomasina. Ahitana izany ny any amin’ny ilany Atsimo toa an’i Morondava. Hiharatsy hatrany ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay efa azo tsapain-tanana ankehitriny. Efa tena tsy zakan’ny olombelona intsony ny fiovaovana. Araka ny fikarohana sy ny fandalinana dia mety hahatratra 300 000 ny olona ho faty noho ny tsy fahazakana ny voka-dratsin’ny fahapotehan’ny tontolo iainana amin’ny taona 2020, izay efa tsy ho ela intsony satria afaka 3 taona. Hihamafy hatrany ny loza raha mbola mitohy ny famotehana sy ny tsy fisian’ny finiavana hanarina, toy ny fanomezan-danja ny fambolen-kazo, ny fampihenana ny fampiasana etona manempotra ary ny fikajiana ny tontolo iainana. Anisan'ny haingana indrindra maneran-tany ny fahapotehan'ny ala eto Madagasikara satria  manodidina ny 36.000 ha isan-taona ny ala potika. Azo antoka anefa fa tsy mahavoly hazo tahaka izany akory isika isan-taona. Ny fanaovana tavy sy ny saribao hatreto no tena mandripaka ny ala eto Madagasikara ankoatra ny trafika isan-karazany.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT