Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara Lesoka ny fandrindrana ny fomba fiasa


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Tontosa ny fampahafantarana ny politikam-pirenena iadiana amin’ny fiovaovan’ny teny anivon’ireo faritra niaraka tamin’ny fakan-kevitra teny ifotony ahafahana mamolavola ny drafitra nasionaly.

 

Tafatsangana ihany koa ny fahefam-pirenena hanara-maso ireo tetikasa tohanan’ireo mpiara-miombon’antoka. Efa iainantsika eto Madagasikara ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro toy ny fitombon’ny rotsak’orana ao anatin’ny fotoana fohy, ny fiforonan’ny rivodoza, ny fahamainan-tany na koa ny fiakaran’ny ranomasina. Singa iray lehibe hita ao anatin’ny drafi-pirenena Malagasy ny fomba fiatrehana mialoha ireo voka-dratsy ireo. Anisan’izany ny fikarohana ireo karazana masombolim-bary mahatanty orana be, milona ao anaty rano sy afaka miatrika hafanana migaingaina. Torak’izany ny fijerena ireo akora mafy fanorenana fotodrafitrasa fampiasa amin’ny fanamboaran-dalana sy trano. Mbola lesoka anefa hatreto ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy firindran’ny fomba fiasa eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana sy fikambanana samihafa misahana ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny, hoy ny tompon’andraikitra misahana ny fiovaovan’ny toetr’andro Razanamiharisoa Jane. Nifampizara traikefa sy haizatra teny Ankorondrano ny faran’ny herinandro teo moa ny minisiteran’ny Tontolo iainana, ny Ekolozia, ny Ranomasina ary ny Ala sy ireo fikambanana mpiara-miombon’antoka misahana ny fiovaovan’ny toetr’andro. 

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT