Ny fiovan’ny toetrandro dia mety ateraky ny lalam-pivoarana anaty voajanahary na avy amina faneriterena ivelany na avy amina fanovana maharitra ataon’olombelona eo amin’ny taharon’ny atmôsfera na eo amin’ny fampiasana ny tany.
Oram-be mivatratra, tafio drivotra mahery vaika, rivotra maina, masoandro migaingaina no anisan’ireo loza aterak’izany. Ny taona 2017 rahateo no voasokajy ho taona nafàna indrindra raha ny tatitra iraisam-pirenena ka niteraka tranga samihafa izay loza mitatao ho an’ny ho avin’ny zanak’olombelona.Tany Corse ohatra dia nisy doro-tanety sy haintrano noho ny fiakaran’ny hafanana ka valan-javaboahary sy tany mirefy eo amin’ny 1 800 Ha no tandinin-doza tamin’izany. Ny hatsiaka ihany koa dia namirifiry ka nidina -40°C ny marim-pana tany Etazonia sy Kanada. Ratsy fanombohana koa ny taona 2018 satria nametraka takaitra sahady ny rivo-doza toa an-dry AVA sy Berguita. Tany avaratry ny Kaontinanta Eoropeanina indray dia Alemana sy Pays-Bas no nahita faisana ka namoizana ain-olona 11 tamin’ny fandalovan’ny Rivodoza David.
Mila miomana
Hita anketriny fa mila miomana amin’ny fiantrehana izany fiovan’ny toetr’andro izany isika Malagasy. Marihana fa nanatrika ny fihaonam-be mikasika ny toetr’andro COP 21 ny fitondrana tamin’ny taona 2015. Efa ho telo taona ka aiza ilay “Green Climate Fund”, vola natokana ho an’ny toetrandro izany mitentina miliara an-jatony hiarovana tontolo iainana? Nanaiky ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa hitroka ny Diôksidana karbônina ireo firenena matanjaka izay ara-teknika tsy hitombina mihitsy ny fanatanterahina izany. Hitam-poko sy hitam-pirenena ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tsy fisian’ny ezaky ny fanjakana manoloana ny fandraisan’anjara ho fampandrosoana ny firenena. Tsy afaka mandà kosa anefa isika fa na aiza na aiza manerana ny vazantany efatra dia tsy takona afenina intsony ity fiovan’ny toetrandro ity. Raha ho an’Madagasikara manokana dia hisy fikatsohana eo amin’ny fambolena izay andry lehibe iankinan’ny toekarena sy ny fahasalam-bahoaka ary maro hafa. Fotoana izao tokony hifantohana tanteraka amin’izay ho vahaolana maharitra hiatrehana izany. Maro ireo mpiantsehatra eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana nametraka politika fiantrehana ny fiovan’ny toetrandro toa ny firosohana miandalana amin’ny fampaisana angovo vaovao na koa amin’ny fanomezan-danja ny fambolena fa izay tokony hanaraka ny toetrandro. Ny fitondrana mbola variana amin’ny fitiavan-tena sy fitiavan-tseza ka mila mandray andraikitra amin’ìzay ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana indrindra eo amin’ny fanabeazana sy fanentanana ny vahoaka Malagasy manoloana ny fiovan’ny toetrandro sy ny fahaiza miatrika izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.