Efa miaina ny fahapotehan’ny tontolo iainana toy ireo firenen-drehetra manerantany isika eto Madagasikara.
Ohatra mivaingana amin’izany ny fiakaran’ny maripana, ny fahafohezan’ny vanim-potoana firotsaky ny orana, ny fitombon’ireo loza voajanahary na koa ny fahavitsian’ireo rivodoza mandalo eto amin’ny firenentsika izay tsy mihoatra ny 3 saingy tena matanjaka. Mbola sarotra ho antsika anefa ny hifehezana ny fiovan’ny toetr’andro saingy azo atao tsara ny manentana sy mandrisika ny mpiarabelona hiaro ny tontolo iainana. Vahaolana voalohany ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fitaizana sy fanabeazana ny ankizy sy ny tanora Malagasy dieny izao, hoy ny sampandraharaha misahana ny famantarana ny toetr’andro. Ho azy ireo indrindra no hisian’ny «Vina vao miaraka amin’ny Météo» andiany voalohany mandritra ny 3 andro eny amin’ny foiben’ny sampandraharaha Ampandrianomby ny 30 novambra hatramin’ny 2 desambra 2015. Hetsika varavarana misokatra, famelabelaran-kevitra ary lalao sy fanentanana samihafa mifanindran-dalana amin’ny «Conférence des Parties na COP21» hiresahan’izao tontolo izao ny fampihenana ny fampiasana ireo etona manempotra ny planeta tany ao Paris.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.