Actualités

Fiompiana trondro Tsara fanombohana ny any Moramanga


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

8,5 taonina no fitambaran’ny vokatra azon’ireo mpiompy monina manodidina ny toeram-pitrandrahana sy manakaiky ny lalan’ny fantsomby izay nomen’Ambatovy zana-trondro 10 000 tamin’ny fiandohan’ny taona.

Araka ny tombana nataon’ny Sampandraharaham-paritry ny Harena anaty Rano sy ny Jono ao Alaotra Mangoro. Rehefa namidy 5 000 Ariary ny iray kilao dia nahazoana hatrany amin’ny 42 tapitrisa Ariary.

Efa miditra amin’ny fotoana fampiakarana ny vokatra tokoa izao ny mpiompy ary azo lazaina ho fahombiazana tokoa ity taom-piompiana ity, raha io ny vokatra azo kanefa sehatrasa vao manomboka ity fiompiana trondro ity any amin’iny faritra iny ary ny taham-pahafatesan’ny trondro dia manodidina ny 15%. Mahavelom-panantenana tokoa ity fiompiana trondro ity ao amin’ny Distrikan’i Moramanga raha ireo vokatra ireo no dinihina.

Mbola azo hatsaraina anefa izany amin’ny alalan’ny fanampiana ireo mpiompy amin’ny lafiny teknika, hoy ny teknisianina. Hotohizana noho izany ireo fampiofanana miampy fanaraha-maso ara-teknika homena ireo mpiompy izay hiarahana miasa miaraka amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Harena anaty Rano sy ny Jono ao Alaotra Mangoro.


 

 

                                                                  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT