Actualités

Fiompiana osy sy ondry Horaisin’ny Sinoa an-tanana


  • Sabotsy 22 Aogositra 2015

Mahatsikaiky ny zava-mitranga any atsimo. Ny Sinoa indray no handray an-tanana ny fampiroboroboana osy sy ondry.

Tsy vitan’izay fa mbola homena tany am-polony hektara maro izy ireo hanatanterahany ny asany. Mialokaloka ao ambadiky ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina ny mpitondra ao anatin’ity resaka ity. Arahina fanamboarana abatoara any Toliara ihany koa moa. Tsy liana amin’ny fiompiana ireo karazam-biby miraoka ahitra ireo intsony ve izany ny mpiompy any atsimo sa kivy amin’ny asan-dahalo ka miraviravy tanana ? Raha hiditra ny Sinoa, homena fiarovana manokana ve izy ireo hanatanterahany ny asany ? Raha azo atao ihany izany, maninona no tsy nampiharina tamin’ireo tantsaha mpiompy any atsimo ? Mifamatotra amin’ny kolontsaina any mantsy ny fiompiana, eny fa na misy aza ny Foko tsy mihinana ny henan’ireny karazam-biby ireny.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT