Actualités

Fiompiana omby teny Ambolokandrina Tsy neken’ny kaominina intsony


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Namoahan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra didim-pitondra ireo fianakaviana mpiompy omby eny Ambolokandrina ka tsy afaka manohy ny asa fiompiany intsony.

 

 Efa notenenin’ny sampandraharaha misahana ny fahadiovana sy ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ny fahadiovan’ilay valan’omby sy ny fotoana tokony hanalana ny zezika ao anatin’izany mantsy izy ireo raha araka ny fanadihadiana natao saingy fotoana vitsy monja no nanatontosany  izany dia nijanona teo. Vokany, zazakely iray tsy manan-tsiny no tsy nahazaka ilay fofona ka narary mafy tampoka ary  nomen’ny dokotera “certificat medical” mihitsy.  Tonga teny am-pelatanan’ny kaominina ny fitarainana ka nisy ny famindrana toerana ilay zaza mba hizahana marina raha ilay fofona no tena nankarary azy. Sitrana soa aman-tsara anefa ilay zaza, araka ny fanazavan- dRamboasalama Emilien, lefitra voalohan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo taorian’ny namindrana toerana azy saingy raha vantany vao niverina tao amin’ilay tanàna indray izy dia niverina ilay aretina. Ny fahasalaman’ireo vahoaka eny Ambolokandrina  mihitsy no tena mampanahy mafy ny kaominina noho izany, antony nandraisan’izy ireo izao fepetra izao. Ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa RNDC Rabetsara Lita teo an-danin’izay dia tonga nanatona ny fitsarana etsy Anosy mba hanoherana io didim-pitondrana navoakan’ny kaominina io. Omaly no nanatanterahany izany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT