Taorian’ny zava-niranga teny amin’ny FIGN Fort Duchesne dia maro ireo fihaonana sy fivoriana notanterahana teo anivon’ny foloalindahy ary araka ny tsiliantsofina re dia manomboka misy hevitra vaovao mipoitra, avy any amin’ireo manamboninahitra sasany, ho amin’ny fandaminana ny foloalindahy amin’izao fotoana.
Marihana fa anisan’ny dingana iray ihany izy io, fa tsy hoe vahaolana hampilamina ny zava-drehetra tsy akory. Raha fintinina io soso-kevitra io dia milaza fa tsy tokony hosaziana ireo miaramila sy zandary nioko na tsy nety nandray baiko na tsy nankato ny toromariky ny lehibeny, tato anatin’izao krizy andalovan’ny firenena izao. Raha tsorina ny resaka dia samy tsy misy hosaziana izany na ny CAPSAT na ny FIGN ; ny voalohany moa dia tsy nety nandray baiko avy amin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana Marc Ravalomanana, ary nivoaka ny lakazerina niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, fa hoe hisy hanafika, hono, ry zareo. Ny faharoa kosa dia ireny efa niaraha-nahita teny Fort Duchesne ireny fa nanao fanambarana fa hiaraka hidina an-dalambe hiaraka amin’ireo vahoaka mitaky ny marina sy ny rariny. Vanim-potoana samihafa no nitrangan’ireo fiokona roa ireo, saingy rehefa dinihina lalina dia mitovy ny vontoatiny, ka noho izany tokony hitovy ny fepetra horaisina, araka ny hevitry ny manamboninahitra iray, tafaresaka taminay. Nanohy ny fanazavany izy ary nanamafy fa « tsy mbola nisy hatreto aloha, ny fanasaziana ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ary vata-miaramila nioko tao amin’ny CAPSAT Soanierana, ka tsy tokony hihazakazahana ny fitsarana sy fanasaziana ireo zandary tao amin’ny FIGN ». Ny hevitra moa tera-bary ary samy manana ny fijeriny ny toe-draharaha ny rehetra ; tsy maintsy ampiharina ny lalàna hoy ny Praiminisitra Camille Vital ary tsy maintsy hisy ny fisamborana sy ny fanasaziana. Etsy an-kilan’izay koa anefa, dia fantatra fa maro be amin’izao fotoana ny miaramila sy zandary ary polisy miandry ny hanatanterahana ny fifanazavana sy ny fampihavanana eo amin’izy ireo mba hampisinda ny ahiahy tsy hihavanana sy hampilamina tanteraka ny zava-drehetra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.