Anisan’ireo synodam-paritany tsy diso anjara tamin’ny fiofanana avy amin’ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny FLM Toamasina. Tonga nitarika ny delegasionan’ny mpampiofana andriamatoa Andriantsalama Manan’Iala izay talen’ny informatika eo anivon’ny CNaPS foibe.
Nambarany fa “misy ireo pastora no efa 20 taona niasana nefa tsy voasoratra anaty CNaPS mihitsy, na voasoratra fa tsy mandoa latsakemboka, ka sahirana avy eo rehefa tonga ny retirety". Ka mba tsy hisian’izay fahaverezan-jo izay indrindra no antony nanomezan'ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny fiofanana tahaka izao. Nampahatsiahivina tao anatin'ny fiofanana io ihany koa fa efa mivoatra ny fandoavana ny latsakemboka ao amin'ny CNaPS, izay azo aloa eny amin'ny Banky, ny paositra na ireo tolotra fandefasam-bola omen'ireo tambajotran-tserasera. Nahatratra 75 isa ireo mpiofana, raha 90 no nandrasana tato anatin’ny synodam-paritanin’i Toamasina. Na izany aza dia "efa misy ihany ireo mpiandraikitra ato amin'ny FLM synodam-paritany Toamasina, no niditra tao anatin'ny CNaPS, saingy ny anjara asan'ity farany no tsy hain'ny ankabeazany", hoy ny pastora Toto Chrysostome Joseph, filohan'ny FLM synodam-paritany Toamasina. Nanamafy izany rahateo ny filoha lefitry ny FLM Foibe, ny pastora Octave Benil, izay nidina ifotony tany Toamasina. Anisan’ny vina napetraky ny foibe FLM ny fijerena manokana, aorian'izao fiofanana izao, ny fidiran'ireo mpiasa ato amin'ny FLM Synodam-paritany Toamasina, anatin'ny CNaPS .
RTT
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.