Tsy maintsy manana antoka amin’izao vao afaka mindram-bola eny amin’ireny banky na famatsiam-bola madinika ireny. Betsaka anefa ireo olona tsy manana fahafahana amin’izany nefa te-hivelona, antony nanosika ny orinasa Solidis hanampy azy ireny
. Raha araka ny fanadihadiana natao dia ny 50 %-n’izany antoka izany no azon’ny Solidis hanampiana ireny olona voakasika ary afaka manampy amin’ny fitadiavana ireo banky na mpamatsy vola madinika hindramam-bola ihany koa izy ireo. Anisan’ny ahitana azy any amin’ny hetsika la grande braderie de Madagascar hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ny 27 ka hatramin’ny 31 mey ho avy izao. Hetsika izay natokana ho an’ny fetin’ny reny ranofotsiny ahitana tranoheva am-polony, horavahin’ny fihenam-bidy 15 %. Tsy latsa-danja ao anatin’izany ireo tranoheva miisa 20 mpanao asa tanana izay hampiranty ireo asa tanana vita Malagasy mampalaza antsika eto an-toerana, azo hatao fanomezana ho an’i Neny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.