Nosokafana tamim-pomba ôfisialy omaly etsy amin’ny Forello Expo Tanjombato, haharitra efatra andro ilay foarabe iraisam-pirenena ho an’i Madagasikara andiany fahafolo.
Manodidina ny 520 isa ireo tranoheva mandray anjara amin’izany, hetsika ara-toekarena iray natao hanandratana ny vita Malagasy amin’ny alalan’ireo orinasa avy eto an-toerana. Vokany, malagasy avokoa ny 65 %-n’ireo orinasa mandray anjara amin’izany raha 35 % monja izany tamin’ny taon-dasa. Mifantoka bebe kokoa amin’ny famokarana herinaratra, ny fanodinana ireo vokatra sy ny fikirakirana ny teknolojia ny FIM tamin’ity taona ity.Samy resy lahatra ny rehetra fa tsy maintsy karohana ny vahaolana momba ny delestazy izay miteraka fatiantoka ho an’ ireo orinasa sy ny mpanjifa ; maro ny fitaovana maoderna manaraka ny fivoaran’ny teknolojia azo ampiasaina tsara amin’ny famokarana herinaratra sy ny fitsinjarana azy, hita eny amin’ny FIM izany.
Manome lanja ny vita malagasy
Fa anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’ity hetsika ity ny fikambanana mitsinjo ny tombontsoan’ny mpanjifa ahitana ny HAFARI Malagasy, ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny RNDC ary ny domaine Fiavo. Mendrika hotohanana ny hetsika tahaka izao, hoy izy ireo, satria manome lanja ny vita malagasy izay manosika ny toekarentsika iray manontolo. Ankoatra izay dia famolavolana ny olona ho tia sy hanjifa ny vita malagasy ihany koa ho tombontsoan’ny rehetra, hoy hatrany izy ireo. Ho an’ny fikambanana HAFARI Malagasy manokana izay manana tranoheva eny an-toerana dia misy ny fivarotany ireo karazam-bokatra vita malagasy toy ny sakay vovony, ny sakamalao vovony, vokatra notazana tamin’ny alalan’ilay tetikasa fifindra-monina any Soaniedanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.