Tontosa omaly alahady 6 aogositra tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ihany ilay fifidianana ho filohan’ny fikambanana zanaka am-pielezan’i Faritanin’i Toliara na ny Fizafato rehefa nitoerana disadisa talohan’ny fanatanterahana azy.
Lany hitantana izany tamin’ny isam-bato 2061 tamin’ireo mpifidy nahatratra 2291 tonga nandatsa-bato tao amin’ireo birao fandatsaham-bato niisa 6 teny an-toerana ny kandidà tokana Maharante Jean de Dieu izany hoe nahazo ny 97,27% rehefa niala tsy ho kandidà tamin’ny zoma teo i Berkley Andriamanarivo. Nahatratra 59 ny vato fotsy sy tsy nanan-kery tamin’izany. Raha tamin’ny 5 ora 30 vao nanomboka ny fanisambato tamin’ireo birao fandatsahambato 6 ireo dia tamin’ny 4 ora hariva omaly dia efa nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety i Bevata ka nanambara dieny mialoha fa efa izy no ho lany ho filoha vaovaon’ity fikambanana ity. Nilaza izy tamin’izany fa nahatratra 6000 teo ho eo ireo mpandatsa-bato tonga tetsy Ampefiloha. Tamin’izany koa dia efa nilaza ny tenany fa hanolotra fiara camion ho an’ny Fizafato hanaovana asa soa hitaterana mpikambana raha sanatria ka misy ny lavo an-tanin’olona ary dia mbola nilaza koa izy fa hanolotra fanampiana ho an’ireo mpianatra mandranto fianarana eto Antananarivo ankehitriny.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.