Actualités

Filohan’ny Filan-kevitra Monisipalin’ny CUA “Manohana 100% ny hetsiky ny depiote izahay”


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Legende: Ny Filohan’ny Filankevitry ny Tanànan’Antananarivo Andriambahoaka Faustin nandritra ny fanambarana nataony omaly

Nanao fanambaràna ny Filohan’ny Filankevitry ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Andriambahoaka Faustin omaly Alarobia 18 Aprily 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, fa manohana zato isan-jato ireo Solombavambahoaka 11 voafidy teto Antananarivo Renivohitra izay nitsipaka ny lalàm-pifidianana naroso teny amin’ny Antenimieram-pirenena farany teo. Nohamafisiny fa mitondra ny tenin’ny vahoaka ny Solombavambahoaka. Ny Filankevitry ny Tanàna kosa, hoy izy, dia nofidian’ny vahoaka noho izany dia manohana ny hetsika amin’ny Sabotsy izy ireo satria ny vahoaka no nametraka ireo Mpanolontsainan’ny Tanàna eo amin’ny toerany. Niantso ny vahoakan’Antananarivo hanohana sy hanome tànana ny depiote ity Filohan’ny Filan-kevitra kaominaly ity. Ankoatra izay araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Mpanolontsainan’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ihany dia misy kosa ny Mpanolontsainan’ny Tanàna izay miteny any ambadimbadika any fa mankasitraka ilay Lalàna fehizoro lany teny amin’ny Antenimieram-pirenena farany teo. Diso tanteraka izany, hoy izy, ary ny olona miteny izany dia tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny Filankevitry ny Tananan’Antananarivo.


Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT