Actualités

Filohan’ny UCTU Ahiana hiharan’ny hatezeram-bahoaka


  • Alarobia 01 Febroary 2017

Mivoatra hatrany ny fahasorenan’ny mpanjifan’ireo zotran’ny kaoperativa UCTU amin’ny afitsok’ireo mpamily sy mpanerany.

 Nataon’ny filohan’izy ireo, Andrianambinintsolomora Bernardin, ho fehezanteny nentina nanamarinana ny fampiakarana ny saran-dalan’izy ireo hatrany anefa ny filazana fa ho hentitra ny fanaraha-maso ny kalitao saingy fitaovana nandinganana mpanjifa hatrany aloha izany hatramin’izao. Efa hatrany amin’ny faramparan’ny taona 1990, fony hoe hakarina 200 ariary ny saran-dalana no efa naharenesana io fehezanteny io saingy ny zavatra hita mampimenomenona ny maro dia mbola ratsy ny seza, misy fiara tsy misy radio, mpitatitra sy resevera manintsana eny an-tenantenan-dalana na ihany koa manivana mpandeha. Izany hatrany no iainan’ny ankamaroan’ireo mpandeha amin’ity kaoperativa mpitatitra an-drenivohitra mivezivezy manodidina an’Ambohijatovo, Anosy, Mahamasina ka hatrany Nanisana, toy ny zotra 193, 162, 147, 119. Ny mahagaga anefa dia izy hatrany no  maika indrindra hampiakatra ny saran-dalany noho ireo vondrona kaoperativa hafa misy. Ahiana mafy hiharan’ny hatezeram-bahoaka, noho izany, ity vondrona kaoperativa ity sy ny filohany.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT