Actualités

Filohan’ny SMM « Tsy maintsy ho avy ny anjaran’ny senatera Riana”


  • Alarobia 31 Mey 2017

Nibaribary loatra ny karazan’olona tsimatimanota eto Madagasikara, tao anatin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy, hoy ny filohan’ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) halina tao anatin’ny fandaharana Donakafon’ny Top radio 102.8 FM.

 

 Ny fahefana mpanatanteraka mihitsy no manao angaredona niaro an’i Claudine R, hoy izy. Nambaran’ny filohan’ny SMM fa namoaka vava Rtoa Claudine hoe « … izaho tsy azonareo samborina, tsy azonareo tsaraina, tsy azonareo gadraina. ». Tsy tokony hanaiky lembenana amin’izany isika Malagasy rehetra fa mijoro kosa hanohitra ny tsy rariny ary samy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fametrahana ny fanjakana tsy tan-dalàna ka tsy ampiharina ny didim-pitsarana, hoy izy. Efa tena mihoatra ny ambaran’ny lalàna ny fe-potona nipetrahan’ity mpandraharaha sady mpanolotsain’ny filoha ity eny amin’ny hopitaly, hoy i Fanirisoa Ernaivo ka mety aminy ny miditra eny am-ponja amin’izay aloha dia azo atao ny fitsirihana sy fizahana ara-pahasalamana tsy mitanila. Mahitsy sy hentitra tsara kosa ny tenin’ny filohan’ny SMM manoloana ny senatera Riana Andriamandavy. « Misy fotoanany ny zava-drehetra, miandry kely aloha fa tsy maintsy atao ny fandaminana. Raha efa izahay mpitsara ve no mitory an’io senatera io dia mbola holazaina indray fa tsy azo raisina ny dosie ? », hoy izy. Tsy maintsy ho avy  ny anjarany fa resaka fotoana fotsiny io. Matoa mihetsika sy manara-maso tahaka izao ny SMM dia mino sy mahatoky fa hisy vokany ny zavatra ataony mba hametrahana ny tany tan-dalàna ka izay rehetra voaporofo fa nandika lalàna dia faizina araka ny lalàna.Tsy sinema ny an’ny SMM fa tena hanao izahay, hoy ny filohany ary nanentana hatrany ny olom-pirenena tsirairay amin’ny andraikitra tandrify azy moa i Fanirisoa Ernaivo mba tena handray andraikitra tokoa fa tsy ho mpitazana na mpanakiana fotsiny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT