Actualités

Filohan’ny KMFD Mahajanga Miseho ho saro-piaro alohan’ny tompony ?


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010

Araka ny vaovao voaray avy any amin’ny renivohitry ny faritra Boeny dia mijoro ho mpisolovava ny Talem-paritry ny Jirama ao Mahajanga indray ankehitriny Ratsimbazafy Andrianjafitsalama na i Salama, araka ny fiantson’ny ao an-toerana azy, filohan’ny KMFD na Komity manohana ny fanovana ara-demokratika any an-toerana.

Raha hiverenana kely moa ny tantara dia maro ireo olona no mitaraina noho ny fitarazohan’ny fampidirana herinaratra sy ny fomba fiasa anjakan’ny kinamanamana eo anivon’ny Jirama Mahajanga. Nisy ireo tokantrano nilaza fa efa tamin’ny volana aogositra 2009 no nahafeno ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fampidiran-jiro, no sady efa nandoa vola. Nisy, araka izany, ny karazana taratasy fitarainana napetrak’ireto olona nahatsiaro ho niharan’ny tsy rariny ireto tany amin’ny Jirama Mahajanga. Saingy ny nanaitra ny olona ao an-toerana dia tsy nisy ny fanazavana matotra avy amin’ny Jirama fa ity filohan’ny KMFD ity indray no toa nanangam-bovona sy niseho ho saro-piaro mialoha ny tompony raha niseho tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina M3TV herinandro lasa izay. Nambarany nandritra izany ary fa madio tanana tanteraka ny Talen’ny Jirama ao Mahajanga, fa olona te hanoso-potaka azy ary manana tanjona ny hanala azy amin’ny toerany ireo mody manoratra taratasy fitarainana ireo.

Ny nanaitra ny mponina ao Mahajanga ihany koa dia ny hoe : fa inona marina moa no tena andraikitr’ity KMFD ity, ary inona no fahefana ananany no afaka manindry bokotra sy mamoaka teny miendrika fandrahonana ny filoha mpitarika azy ? Anisan’ny ambetin-teniny mantsy ny hoe : «antsika ity tanàna ity, ka aleo miala eto izay tsy mahay miara-miasa amintsika sy manana eritreritra hafahafa …» . Tsy vitsy mihitsy no mahita, indrindra fa ireo mpiavy mila ravinahitra ao Mahajanga fa mamofompofona fandranitana adim-poko izany fanambarana izany. Raha ny fahitana ny fanazavan-kevitr’Atoa Ratsimbazafy Andrianjafitsalama tao amin’io fahitalavitra io tokoa dia mahafantatra amin’ny andinindininy ny zava-misy ao amin’ny Jirama ny tenany, na ara-teknika io na ara-bola, ary milaza azy fa afaka miresaka mivantana amin’ny Talen’ny Jirama. Izy tenany anefa dia tsy mpiasan’ny Jirama velively fa dia manentana ireo tanora eny ambany tanàna (bas quartiers) ao Mahajanga amin’ny alalan’ny hetsika ara-panatanjahantena no ahafantarana azy. Ankoatra ny maha filohan’ny Komity manohana ny fanovana ara-demokratika azy moa dia mpanolotsain’ny filohan’ny faritra Boeny no sady mpikambana ao amin’ny antoko Maitso ao Mahajanga ity mpisolovava hafa kely ny Talen’ny Jirama any an-toerana ity.

Mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : ny fiarovana tomponandraikitra efa tsy ankasitrahan’ny olona sy mamoaka teny miendrika fandrahonana ve no asan’izany hoe Komity manohana ny fanovana ara-demokratika izany ? Dia izany marina ve no hoe fanohanana ny fanovana ? Maro moa ny olona ao Mahajanga no milaza fa tsy anjely akory Ratsimbazafy Andrianjafitsalama ka hanakiana tsotra izao ireo izay mitaraina noho ny tsy fahaiza-miasan’ny Jirama Mahajanga. Ankoatra izay dia misy koa ireo milaza fa manana dosie mafampana momba ny zavatra ataon’ity filohan’ny KMFD ity. Ho hitantsika eo ny tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT