Hiakatra fitsarana amin’ny 5 mey ho avy izao ny Talen’ny famoahana ny gazety Basy Vava sady Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Rakotonirina Gérard, rehefa notorian’ny orinasa GALANA.
Fanalam-baraka tamina lahatsoratra nivoaka an-gazety tamin’ny 14 martsa 2014 no vesatra iampangana azy. Fitaterana ny voalazan-dRatafika William tamin’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ity farany tao amin’ny La Rotonde Besarety no notaterin’ny gazety Basy Vava tamin’io. Omaly Rakotonirina Gérard no niatrika ny Fampanoavana teny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ary hatao amin’ny 5 mey ny fitsarana, izany hoe mialoha kelin’ny fotoana handinihan’ny solombavambahoaka ny lalàna vaovao momba ny serasera sy ny fampahalalam-baovao, ka mampametra-panontaniana ihany hoe : inona no tiany hahatongavana ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.