Actualités

Filohan’ny Antenimieram-pirenena Nalain’i depiote Hawel Mamod’Ali baraka


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Tofoka amin’ny avonavon’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ny tsy fahazoany mihaona amin’ny filohan’ity andrimpanjakana ity ny depiote Hawel Mamod’Ali voafidy tao Morondava ka naneho ny fahatezerany

 

. Omen’ity Solombavambahoakan’i Madagasikara ity 72 ora ny mpapakateny voalohan’ny Antenimieram-pirenena hamoahana ny vola 30 tapitrisa Ariary hamatsiana ilay fanadihadiana parlemantera izay efa tapaka teo anivon’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 19 desambra 2014 teo. Mba tsy hivadika ho tantara ratsy ity raharaha ity, hoy ilay taratasy nosoratan’ity depiote Mapar ity,  dia tokony havoaka io vola io satria manana zo feno toy ny Malagasy rehetra ireo zanak’i Morondava izay nataon’ny Emmoreg tany an-toerana vono moka araka ny fanambarany. Voafaritry ny lalàna fototry ny Repoblika manomboka eo amin’ny andininy faha-179 ka hatramin’ny faha 187, lalàna  67- AN/ P. Araka ny taratasy izay nalefany amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena dia efa  nanatona ny mpapaka-teny voalohany ny tenany nampatsiahy io vola io fa ny valin-teny azony dia ny hoe mbola ny mikasika ny fividianana fiara 4x4 ho an’ny depiote sy ny famatsiam-bola ny fety amin’ireo fametrahana samboadin’ireo depiote  sy ny fandehanana any Andafy no maika noho ny fitadiavana ny marina tamin’ny nahalatsahan’ny ran’ireo zanak’i Morondava. Efa nangataka fihaonana tamin’ny talen’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ihany koa ity depiote ity mba hanazava ny zava-nisy tany Morondava saingy tsy raisiny hatrany. Toy izany koa ny fangatahany fanohanan’ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena avy any Toliara io fitakiany io fa tsy nahitam-bokany.  Solombavambahoaka miisa 77 anefa no efa nanao sonia ho fanohanana ny fanatontosana ity fanadihadiana any Morondava ity mba ho fanajana ny zon’ireo havan’ny maty nandritra iny hetsiky mpiasan’ny orinasa Sucoma iny. Nandefasana dika mitovy amin’ity taratasy ity moa ny minisitry ny Fitsarana, ny Masoivoho vahiny rehetra misy eto Madagasikara ary ny Kaomisaria miaro ny zon’ olombelona eo anivon’ny firenena mikambana. Anio aloha dia hafanafana ny adihevitra eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza eny amin’ny fitondrana eo anivon’ny fivoriana itambarambe ny volavolan-dalàna mikasika ny sata manokan’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra.

Andry Ratovo

     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT