Actualités

Filoham-pokontany 10 volana tsy nandray tambin-karama


  • Zoma 19 Oktobra 2012

“Efa eo anivon’ny ministeran’ny vola sy ny teti-bola ny raharaha mikasika ny famoahana sy fandoavana ny tambin-karaman’ireo filoham-pokontany manerana ny Nosy”.

 Izay no nambaran’ny minisitry atitany Rakotoarisoa Florent raha nanontaniana azy ny fitarainan’ireo filoham-pokontany tsy mbola nandray ny valin-kasasarany tao anatin’ny 10 volana ny taona 2012. Ny zava-nisy dia nifanilihan’ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana sy ny ministeran’ny atitany ny fandoavana azy io. Raha ny governemanta teo aloha dia ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana no manampy ny Faritra amin’ny fandoavana izany.

Tamin’ny teti-bola 2012 dia niady ny hitantanana izany ny ministeran’ny atitany, nefa izao nitranga izao ny olana. Nilaza moa ny minisitra Rakotoarisoa Florent fa efa mandeha tsara ny fikirakirana ny antontan-taratasy amin’ny famoahana ny vola. Nolazain’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain fa efa nanome toky (?!) ny fanjakana fa haloa tsy ho ela ny enim-bolana amin’ilay tambin-karama”. “Miandry izahay izao, ho avy anefa ny fanomanana ny fifidianana tsy maintsy izahay filoham-pokontany ihany no hiasa amin’ny fanampiana ny CENIT amin’ny fanisana ireo mpifidy ao amin’ny Fokontaninay”, hoy ireto filoham-pokontany izay tsy nasaina sy tsy nampidirina an-trano raha tonga mba hiatrika ny fampivondronana nataon’ny CENIT sy ny ministeran’ny atitany tao Toamasina. Manodidina ny 525.000.000 Ariary ny volan’ireo filoham-pokontany tsy voaloa manerana ny Nosy, 262.500.000 Ariary kosa ny an’ireo lefiny iray avy. Tsy maintsy hamoaka vola 787.500.000 Ariary amin’ny teti-bolam-panjakana izany ny ministeran’ny vola sy ny teti-bola handoavana io trosany amin’ny Fokontany io.

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT