Actualités

Filoham-pirenena mivady Miliba any Nosy be indray ?


  • Sabotsy 29 Jolay 2017

Any Nosy Be ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady amin’izao fotoana izao.

 

 Omaly maraina dia nandray ny filohan’ny Antenimierandoholona sy minisitra vitsivitsy ao anatin’ny governemanta, ary ireo olom-panjakana sy olom-boafidy ao an-toerana, izy mivady. Tanjona ny hanaporofo ny fandrosoan’ny tanàna eo amin’ny lafiny fizahantany, fotodrafitrasa ao amin’ny seranan-tsambo, fahasalamana, fanabeazana ary ny toekarena. Nambara fa hampandraisina andraikitra amin’ireo lafiny ireo ny mponina, indrindra fa ny lafiny fandriampahalemana. Hisy ny fitsidihana ny asa fanamboarana ao amin’ny seranam-piaramanidina sy ny ivontoerana Vonjy anio. Zavatra tsy dia manao ahoana loatra no toa mahamaika ny filoham-pirenena mivady, ary zara aza misy hitsoahana ny raharaha mafana eto amin’ny renivohitra. Toa atao fitaovana fotsiny ilay hoe misy zavatra hatao saingy efa tsy vaovao intsony ny mahita ny filoha mivady miliba sy manao fiainana, ary efa matetika ny fandehanana any Nosy Be ankoatra ny mankany ivelany. Vola be no atosaka satria tsy vitan’ny filoha mivady ihany no manao fiainana fa maro ireo tompon’andraikitra ambony any an-toerana amin’izao fotoana izao. Efa niaraha-nahita ihany koa ny resaka filankevitry ny governemanta mitety faritra izay efa in-telo nisesy izay, saingy fitsangantsanganana sy fandaniam-bola no betsaka, toa fanesoana ny fahantran’ny Malagasy efa mitrongy vao homana tsotr’izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT