Mpiasam-panjakana ambony efa ho 20 mianadahy indray no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra sy filankevitry ny governemanta nitambatra omaly teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha.
Singanina manokana ao anatin’izany Atoa Ratsimbazafy Andrianarisoa Serge, izay tale vaovaon’ny SAMVA (Service Autonome de Maintenance de la Ville d’Antananarivo). Izy izany no misolo toerana indray an’i Roy Rasoamaromaka talen’ny SAMVA teo aloha. Azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny fivangongoan’ny fako eto Antananarivo izao fanoloana tompon’andraikitra izao. Somary nahazo fanakianana mafimafy ihany mantsy ny mpitantana teo aloha ary nisy fotoana aza dia nampiantso mpanao gazety ary niaro tena mihitsy ny amin’ny antony mampikatso na mampitarazoka ny fandraofana ny fakon’ny renivohitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.