Actualités

Filankevi-panjakana Nolavina ny didy fanafoanana ny fanidiana ny Radio Fahazavana


  • Alakamisy 17 Jona 2010

Naharitra adim-pamantaranandro maromaro ny fitsaran’ny Filankevi-panjakana na ny «Conseil d’Etat» ireo raharaha telo izay heverina ho «goavana» amin’izao fotoana satria mahakasika ny raharaham-pirenena.

Ny voalohany tamin’izany dia momba ny fangatahan’ny mpiaro ny Radio Fahazavana ny mba hampiatoana ny didy mahakasika ny fanakatonana azy. Nandray fanapahan-kevitra ary i Max Ramilison izay prezidan’ny Filankevi-panjakana ny amin’ny tsy hanekena izany. Dikany, mbola mijanona mihidy hatrany io haino aman-jery io. Ny andinin-dalàna famaizana faha-86 izay mifandraika indrindra amin’ny filaminana anatiny no nentiny tamin’ny fandresen-dahatra mba hanamarinana io fanapahan-kevitra io. Mifandraika amin’izay ihany dia mety hisy akony amin’ny figadran’ireo mpanao gazety voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN ihany koa izany na dia ny fitsarana ambaratonga ambony aza no mandray an-tanana ny momba io raharaha io. Raha neken’ny Filankevi-panjakana mantsy ny fampiatoana ny didy manakatona ny Radio Fahazavana dia heverina ho nilefitra ihany koa ny etsy Anosy amin’ny famoahana ireo mpanao gazety. Saingy tsy mbola izay aloha no nitranga.

Manaraka izany dia mbola niakatra teo anivon’io ambaratongam-pitsarana izay raha hiverenana ihany dia hahafahan’ny olon-tsotra mitory ny Fanjakana no ambaratonga afaka manome hevitra ny Fanjakana amin’ny maha filankevi-panjakana azy io hatrany ny momba ny raharaha Tiko Toamasina, ny marimarina kokoa momba ny fampiantoana ny telegrama ofisialy (TLO) izay nataon’ny lehiben’ny fitsarana ambony any an-toerana mahakasika io orinasa io. Io indray dia tsy nandà akory i Max Ramilison, lehiben’ny filankevi-panjakana fa kosa nangataka fotoana ny hitsarana ny raharaha amin’ny daty tsy mbola voafetra. Farany dia ny raharaha Mamod Taky izay voarohirohy ho tompon’andraikitra momba ny raharaha Fenoarivo. Izany dia momba ny didim-panjakana nataon’ny ministeran’ny Fitsarana izay nanome alalana ny hitsarana azy eny Frantsa. Raha hiverenana dia efa namoaka didy nanafoana ny fandefasana an’i Mamod Taky any ivelany (24 martsa teo) ny filankevi-panjakana kanefa tampoka teo indray dia namoaka didim-panjakana ny ministeran’ny Fitsarana (26 mey) mba hahafahany mivoaka hotsaraina any Lafrantsa. Nangataka ny hanafoanana io didin’ny ministera io ny mpiaro azy. Saingy nolavin’ny filankevi-panjakana izany «noho ny tsy maha eto an-toerana an’i Mamod Taky». Dosie telo no indray niakatra omaly ary raha tsorina dia tsy nisy mangirana ho an’ireo voakasika ny didy nivoaka. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe tena mipetraka tokoa ve ny fahaleovantenan’ity ambaratongam-pitsarana ity ?

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT