Actualités

Filana andavanandro


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Mba nisy fidinany tao anatin’ny herinandro izay ny entana ilaina andavanandro eny amin’ny mpamongady. Anisan’ireny ny siramamy, ny menaka …Ny vary no miovaova. Ny any amin’ny mpaninjara anefa tsy miova fa ny vidiny teo aloha ihany.


Fitaovam-piadiana mahery vaika
Tsy maintsy ampitomboina ny fampiasan’ny miaramila fitaovam-piadiana mahery vaika, hoy ny praiminisitra satria mampiasa izany koa ireo dahalo.
Ary tena misy olona nahazo fiofanana ara-miaramila mihitsy miaraka amin’izy ireo.

Antenimiera
Mino aho fa tsy maintsy hiantso fivoriana tsy ara-potoan’ny antenimieram-pirenena ny filoha, hoy ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao mba handinihana ireo volavolan-dalàna maika amin’ny fiainam-pirenena.

Hetra
Tsy voatery hanaraka ny baikon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena i Madagasikara fa fifampiresahana sy fifampidinihana hoy ny minisitry ny vola Rakotoarimanana Gervais, saingy tsy maintsy ampiakarina kosa ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amintsika.

Polisy voatifitra
Polisy iray nirava avy niasa no voatifitry ny jiolahy teo amin’ny feny omaly maraina teny Anosibe. Jiolahy 3 nisaron-tava avy nanafika quincaillerie teny an-toerana ihany ireto nitifitra ireto.

Grand Pavois
Nirehitra ireo hazo manamorona ny Grand Pavois ao Mahajanga, omaly maraina, tsy fantatra mazava ny niavian’ny afo hatreto. Goavana ny fahasimbana any an-toerana.

Fianarantsoa
Nodimandry omaly tolakandro tao Fianarantsoa ny tovovavy iray avy aty Antananarivo anisan’ny mpizaika amin'ny JMJ Mada 8.
Manana aretina mitaiza ilay tovovavy, ary io no voalaza fa nitarika ny fahafatesany. Nandrasana tao Besorohitra ny razana.

Jirama
Mitohy ny hetsiky ny farimbontsedikaly eo anivon’ny orinasa Jirama na eo aza ny fandrahonana fanapahana karama sy famotorana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Hotsaraina anio kosa ny fitoriana napetrak’izy ireo mikasika ireo teboka maromaro ifanolanana amin’ny foibem-pitondran’ny Jirama.

Andapa
Zava-doza no niafaran’ny adina mpivady tany Marovato – Andapa. Tezitra ilay renim-pianakaviana, 26 taona, ary dia nariany tany an-kabone ny zanany kely vao herintaona monja. Soa fa nisy nahita izany ka nifamonjena ilay zaza ka avotra ihany.

Antsiranana
Nitohy tamin’ny fifaninanana kolontsaina indray omaly ny fifaninanam-pirenena ara-panatanjahantena an-tsekoly izay tanterahina any Antsiranana. Tany amin’ny torapasik’i Ramena ireo mpandray anjara no nifamotoana omaly.

Belo Tsiribihina
Lehilahy iray no lanin’ny voay tany Andimaky - Belo Tsiribihina. Ny lohany sy ny taolan-damosiny sisa hitan’ny Fokonolona dimy andro taty aorian’ny nitrangan’ny loza.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT