Actualités

Filaminam-bahoaka Nihena ny tsy fandriampahalemana, hoy ny lehiben’ny polisy


  • Talata 05 Oktobra 2010


Nandritra ny fitokanana ny trano lehibe biraon’ny polisy misy rihana roa ary misy efitra 26 tany Ambatofinandrahana, ny zoma 1 oktobra teo no nanao tatitra mikasika ny tsy fandriampahalemana eran’i Madagasikara ny avy amin’ny polisim-pirenena nandritra ny valo volana lasa tamin’ity taona ity. Raha ny tarehimarika no nojerena dia nihena ny tsy fandriampahalemana teto amintsika raha mitaha amin’ny teo aloha. Na ny fanafihana mitam-piadiana, na ny halatra taolam-paty, na ny fandikan-dalàna rehetra dia nihena avokoa. Raha zohina, araka izany, ity tatitra ity dia te hilaza avy hatrany fa mahavita azy ny ministeran’i Organès Rakotomihantarizaka.

Porofon’izany izao nanaovany biraon’ny polisy lehibe dia lehibe any amin’ny tany niaviany izao. Vola 390 tapitrisa ariary no fantatra fa lany nanaovana ity trano ity ary volan’ny ministeran’ny filaminana anatiny madiodio araka ny fantatra. Ny tsikaritry ny mpanara-baovao raha vao misy ny resaka ho fanovana amin’ny mpikambana amin’ny governemanta dia mihetsiketsika ity ministry ny polisy ity. Asa na fifandrifian-javatra fa tato ho ato izay dia hita tamin’ny haino aman-jery izy. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT