Velon-taraina ny mpanjifa eny amin’ny ankamaroan’ireo banky eto Antananarivo amin’izao fotoana noho ny filaharana lavareny.
Efa mateti-piseho ny filaharana saingy tsy misy ny tena fandraisana andraikitra amin’ny hamahana ny olona sy ny fahoriam-bahoaka. Mandany 1-3 ora eo am-pilaharana, hoy ny ankamaroan’ny mpanjifa. Tena tsy firaharahaina tsotr’izao no misy ary maro no milaza fa fanaovana tsinontsinona ary fanambaniana ny Malagasy ny zava-misy. Fotoana tokony hahavitana asa, kanefa lany amin’ny fiandrasam-bola any amin’ny banky. Tsy atao mahagaga raha mahantra sy tsy mivoatra isika. Tsy misy ny fahavononana hanatsara ny tolotra mba ho amin’ny tombontsoan’ny besinimaro raha ny fanehoan-kevitra. Raha atao ny kajikajy tsotsotra, raha misy olona 500 milahatra amin’ny banky iray dia 1000 ora hiasana no very maina. Tsy tokony hisy intsony ny filaharana lava reny tahaka izao, raha ny fomba fijerin’ny mpanjifa, saingy ny finiavana hamaha ny olana ny olana mihitsy no tsy misy satria mandefitra ny mpanjifa Malagasy fa tsy mba mitroatra tahaka any amin’ny firenen-kafa, ka toy ny mbola azo leferina azo iainana ihany no fahitan’ny tompon’andraikitra azy. Ahitana filaharana lavareny matetika ny eny amin’ny BFV Antaninarenina, BFV Antanimena, BNI Analakely. Fanirian’ny mpanjifa ny hijeren’ny mpitantana vahaolana maharitra manoloana ny fijaliana zakain’izy ireo, indrindra fa amin’ny fotoana fandraisam-bola izay tena mahabetsaka ny mpilahatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.