Actualités

Filaharam-behivavy tao Betafo Antsirabe Ny lehilahy mpiaro ny zon’ny mpanjifa no nahazo fandrahonana


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Nanana ny nampiavaka ny fanamarihana ny 8 martsa, andron’ny vehivavy maneran-tany tamin’ity taona 2018 ity ny vehivavy tao amin’ny distrikan’i Betafo Antsirabe,

 fa dia ny fanehoan’ireo vehivahy renim-pianakaviana ny fijaliany amin’ny rano fisotro madio ao amin’ity tanàna ity no nanehoan-dry zareo izany ka nilaharan’izy ireo nitondra am-pilaminana tanteraka sorabaventy nisy karazan-tsoratra isan-karazany tamin’ny banderole sy baoritra nanambara ny zava-misy iainan’izy ireo sy ny mponina ao Betafo amin’ny olan’ny rano fisotro madio misy ao an-toerana toy ny hoe : “MIJALY RANO I BETAFO ! TOMPONY MANGATAKA ATINY ! TSY EKENAY INTSONY ! AVERENO AMIN’NY VAHOAKA NY FITANTANANA ! AZA RAHONANA NY VAHOAKA ! DIDY JADONA TSY EKENA ! TARANAKA JERENA ! ... Nahazo ny tehaka sy ny horakorak’ireo vahoaka nanatrika ny lanonana izany, raha nandalo ireo olom-boafidy ao an-toerana sy ireo solontenam-panjakana maro izy ireo, ho mariky ny fanohanana sy ny fankasitrahana ny fihetsika naseho. Ny nampalahelo dia nampanantsoin’ny Lehiben’ny Distrika Betafo Atoa Ratianiaina Jean Théobert na Ra-Theo filohan’ny Fibemih amin’ny maha Mpiaro ny Zon’ny Mpanjifa ao Betafo azy sy ny namana vitsivitsy dia nomeny fampitandremana sy fandrahonana mihitsy tamin’izay filaharana nataon’ny vehivavy nilanja banderole nanambara sy nitaky ny zony tamin’ny 8 martsa teo izay. Nambarany fa izy ireo no nampanao sy nitarika izany, nefa dia tena ireo vondrom-behivavy renim-pianakaviana ireo samirery no nanana izay finiavana nanao izany fa toromarika ihany no nataon’ny Fibemih mba nanarahan’izy ireo ny filaminana.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT