Actualités

Fikomiana teny amin’ny BANI Mbola maro be ny zavatra manjavozavo


  • Zoma 03 Desambra 2010

Manamboninahitra am-polony no tsy maintsy hatao fanadihadiana mikasika ny raharaha BANI araka ny nambaran’ny kolonely Ravalomanana Richard, maro be mantsy ireo zavatra tsy maintsy hamarinina sy hitadiavana porofo ka izay no antony tsy maintsy hihainoana ireto manamboninahitra hafa ireto.

Raha toa moa ka tsy misy ifandraisany mihitsy tamin’ny fikomiana sy fikasana hanongam-panjakana teny Ivato izy ireo dia afaka mody malalaka, fa raha misy kosa no ahiahiana fa nifandray tendro tamin-dry lietna kolonely Charles sy ny tariny dia tsy maintsy hosamborina sy atolotra ny fitsarana. Mbola tena sarotra, araka izany, iny raharaha BANI iny satria mitatra ny fanadihadiana, ary maro ireo anarana mety mbola hivoaka sy voasaringotra, ary mety tsy miaramila fotsiny fa mety hisy sivily sy mpanao politika koa. Miandry taratasy fanomezam-pahefana avy amin’ny Fitsarana rahateo ny mpanao fanadihadiana ahafahany manohy ny asany. Fa eo am-piandrasana ny ho valin’ny fanadihadiana anefa, dia tsy mitsaha-mitombo ireo fahasosorana eo anivon’ny tafika, indrindra fa ireo miaramila mitoby eny Ivato.

Araka ny tsiliantsofina re mantsy dia tsy levon’ny vavonin’ireo miaramila ao amin’ny BANI sy ny 1er RFI mihitsy ny fanafihana notarihan’ny lietnà-kolonely Lylison sy ny talen’ny fiarovana ny filohan’ny FAT niaraka tamin’ny FIS sy ny GP ary zandary vitsivitsy avy ao amin’ny GSIS. Na tsy nisy aza ny fifampitifirana sy fifandonana mahery vaika dia maro ireo miaramila nilaza fa tsy mety ary tsy manaraka ny soatoavina miaramila mihitsy ireny fihetsika ireny. Nambaran’izy ireo fa raha toa ka nisy marina ny fifampiresahana ka nanaiky ny hitolo-batana ireo manamboninahitra nitoby tao amin’ny tranon’ny jeneraly Noel Rakotonandrasana dia nahoana no tonga teny Ivato ireo miaramila 75 lahy nirongo fitaovam-piadiana vonona ny hanafika ny BANI ? Fa ho an’ny olon-tsotra mpanara-baovao politika ihany koa dia maro no nametra-panontaniana hoe : nambara foana fa maro be ireo miaramila tao anatin’ny tobin’ny BANI sy ny RFI no tsy nanara-dia ireo manamboninahitra nikomy, koa nahoana raha ireo miaramila ireo, izay nisy manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra ary miaramila tsotra no nasaina nisambo-belona avy hatrany an’azy 16 mirahalahy avy ao anatiny fa tsy nanaovana ireny fihetsiketsehana rehetra ireny ka nandrangarangana fanafihana ?

Tsy maintsy hadihadiana ihany koa ve izay miaramila rehetra tao an-toby tamin’ireny fotoana ireny ? Ary ahoana ny momba ireo lehiben’ny tobin’ny RFI sy ny BANI izay namela malalaka ireo manambonihaitra hitoetra tao amin’ny toby na dia efa azo an-tsaina ihany aza ny tanjon’izy ireo sy ny zavatra nokasainy atao ? Mbola maro be tokoa ny zavatra manjavozavo tamin’iny raharaha BANI ary dia miandry ny mety ho vokatry ny fanadihadiana mba hipoiran’ny tena marina ny rehetra.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT